Ambohimanambola: Nanatanteraka hetsika tao an-toerana ny Alliance Française
Nisy ny hetsika ara-java-kanto natolotry ny ivon-toerana Alliance Française, tao amin’ny kaominina Ambohimanambola, ny faran’ny herinandro teo. Hetsika tsy fahjita firy ao an-toerana ny tahaka izao, raha ny voalaza.
“Festival tsy dia fahita firy eto an-toerana ny hetsika tahaka izao. Hisaorana ireo mpikarakara satria tena nahaliana ny mponina, nitondra azy ireo tanaty tontolon’ny zava-kanto sy ny fahaiza-manao indrindra ny fanasongadinana ny kanto Malagasy” hoy ireo tomponandraikitra tao an-toerana.
“Mila omena lanja sy sehatra ny fampisehoana tahaka izao. Tena ilaina be izany ankoatra ny fanohanana ireo mpanatalenta eto amintsika no sady fialam-boly sy fitaizana ireo zaza sy tanora ihany koa satria mampitsiry ny fahaiza-manao na ny talenta any anaty” hoy i Fitiavana, mponina ao Ambohimanambola.
Fanehoana talenta sy fahaizana, mila omena sehatra malalaka raha eto amintsika. Manomboka maro tokoa ireo tanora no mirona tsikelikely any anatin’izy ireny fa indrindra, mila fanohanana avy amin’ny mpikarakara sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.
Manitra R.
