ActualitésTatitra

Maurice: Toerana maro no tsy azo ifohana sigara intsony ao an-toerana

Herinandro maromaro izao no nihatra ny lalàna vaovao miady amin’ny fifohana sigara ao amin’ny nosy Maurice. Lalàna izay mandrara ny fifohana sigara na sigara elektronika amin’ny toerana samihafa toy eny amin’ny tora-pasika, hotely ary ireo toerana ho an’ny daholobe samihafa.
Ny fitondram-panjakana no nandray izany fepetra izany hiadiana amin’ny fifohana sigara ary hamerana izany mandritra izao fotoam-pialan-tsasatra izao. Ankoatra izany dia tsiahivina fa efa nampiakatra ny vidin’ny sigara ihany koa ny tompon’andraikitra. Mitentina 500 Roupies na 5 Euros ny paquet iray amin’izany ao an-toerana. Nilaza kosa ny mpivarotra iray fa nihena ny mpividy sigara, ho an’izy ireo manokana raha ny fanazavany dia nidina 30% ny mpanjifa.
Ireo minia mandika ny fepetra vaovao napetraka kosa dia ho saziana handoa lamandy 10 000 Roupies na 200 Euros.

Laisser un commentaire