SportTatitra

Comores : Handray anjara Coupe d’Afrique des Nations (CAN).

Ny alakamisy 25 martsa 2021 lasa teo no nisy ny lalao nifanandrinan’ny Togo sy Comores. Nisaraka tamin’ny isa 0 no 0 tamin’ny ekipan’ny togo izy ireo. Na teo aza ny fanjakazakan’ireto ekipan’ny comore ireto, tsy nahatafiditra baolina mihitsu izy ireo. Saingy ny isa efa nanany no nahatafakatra azy ireto, ny ekipan’ny togo ihany koa etsy ankilany efa fantatra fa tsy afaka manao ny CAN intsony nohon’ny faharesena tamin’ny lalao maro efa nihatra taminy. Tafiakatra ho an’ny amin’ny lalao Coupe d’Afrique des Nations araka izany izy ireo taorian’izany lalao izany. Voalohany amin’ny tantaran’ny baolina kitra ao comores izy ireo izao hanatanteraka ny CAN any cameroun izao. Nisy araka izany ny fanehoan’ny mponina hafaliana tany an-toerana taorian’ny lalao.

Laisser un commentaire