SocialTatitra

Côte d’Ivoire : Natsangana ny governemanta vaovao

Nanendry ny governemanta vaovao ny filoha Ivorianina, Alassane Quattara, ny Talata 06 Avrily lasa teo. Raha ny rahalahiny faharoa, Téné Birahima Quattara no nataony Ministry ny Fiarovana, iray volana taorian’ny fandresen’ny antokony teo anatrehan’ny lalàna. Ny Minisitry ny Fampianarana teo aloha kosa, Kandia Camara, izay tanana an-kavanan’ny filoha kosa no voatendry ho Minisitry ny raharaham-bahiny. Ity farany izay laharana faharoa amin’ny governemanta aorian’ny Praiministra, Patrick Achi izay napetraka teo amin’ny toerany ny 26 Martsa. Ny Jeneraly Diomandé indray kosa no voafidy ho Ministry ati-tany sy ny fandriampahalemana. Anisan’ny asa ho ataon’ireto governemanta vaovao ireto ny fampodiana an-tanindrazana ny filoha teo aloha Laurent Ghabho izay nafahana am-ponja ny 31 Martsa lasa teo.

Laisser un commentaire