Alasora : Mila mitondra karatra sy manana anton-dia mazava vao afaka mivoaka amin’ny alina
Hentitra hatrany ny fitandroana ny filaminana ao Alasora amin’izao fotoana, indrindra amin’ny alina. Tovolahy fito nivoaka alina tsy nanana karatra no notazomin’ny zandary nanaovana fanadihadihana. « Tsy hijerena tavan’olona ny fampiharana ny lalàna napetraka, ary mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataonay na andro na alina mba hiarovana ny tanàna sy ny mponiny » hoy ireo mpitandro filaminana ao Alasora Avaradrano.
« Tratra nivezivezy tamin’ny alina izy ireo kanefa sady tsy nanana antony mazava nandehanany akory no mbola tsy nanana karatra namantarana azy akory. Voatery tsy maintsy nosamborin’ny andrimasom-pokonolona eto sy ny Zandary » hoy ny sefom-pokontany ao Amboaroy. « Rehefa hoe tsy azo mivoaka amin’ny alina aloha ho tombontsoan’ny rehetra dia mba manaraka ny lamina efa napetraka ary neken’ny besinimaro » hoy i Lanto, mponina ao Alasora. Mitovy avokoa ny fampiharana ny lalàna, azo eritreretina ho mpangalatra sy olon-dratsy avokoa ny olona ka tsy maintsy mandray fepetra ny Zandary.
Mila manaraka ny lamina rehetra isika mba hisian’ny filaminana hatrany.
Nicole Rafalimananjara
