Nitrangana hain-trano tany Ambohimitsimbina
02 Novambra, 08h30. Nisehoana haintrano mahatsiravina tao Ambatomitsimbina centre, omaly alina tokony ho tamin’ny 08 ora mahery. Ombin-tsarety efatra sy ombivavy iray no maty kilan’ny afo, trano iray kosa no potika tsy nisy noraisina.Tsy mbola fantatra hatreto izay niavian’ny afo.Tsy nisy kosa ny ain’olona nafoy.
