Ambohimanambola : Manakaiky hatrany ny mponina ny fomba fandoavan-ketra
Miezaka manamora hatrany ny fomba fandoavan-ketra ny tompon’andraikitrin’ny hetra eo amin’ny kaominina Ambohimanambola amin’izao fotoana izao. Natsangana indray ny « guichet mobile » izay fomba iray ahafahana mandoa ny hetra eny amin’ny fokontany tsirairay avy.
« Ny 6 novambra no anjaran’ny Fokontany Ambohimanambola sy Antanetibe, ny 7 novambra kosa no anjaran’i Andramanonga sy Iharamy, raha ny 8 novambra no an’i fokontany Ambohimahatsinjo ka ny ampitson’io kosa ny an’i Ambohipeno, ny 10 novambra indray no anjaran’i Ambohibato mandritra io fandoavan-ketra mandeha mitety Kaominina » hoy ny mpandrindra ny fandoavan-ketra eo amin’ny kaominina.
« Misy mpanentana aloha sy mandritran’ireo daty voalaza ireo, koa aza miasalasa manatona azy ireny raha mila fanazavana na manana fanontaniana mahakasika ny hetra » hoy ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Efa manatona antsika mihitsy ny fandoavan-ketra ka tsy tokony ho sakana intsony ny halavirana eo amin’ny biraon’ny kaominina sy ny tokantrano, zava-dehibe hampandrosoana ny firenena mantsy ny fandoavan-ketra » hoy i Herimamy, mponina ao Ambohimanambola.
Marihina fa azo atao tsara ny mandoa ny hetra eny amin’ny biraon’ny kaominina mialoha ireo daty ireo raha misy ny fahafahana. Sambatra tokoa ny kaominina iray manana vahoaka tia manao ny adidiny eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena satria sady voninahitra izany no rehareha.
Nicole Rafalimananjara
