Iran : Tsy firenena arabo i Iran
Tsy arabo avokoa ny silamo ary tsy silamo avokoa ny arabo raha ny fanazavana. Tafiditra ao anatin’io sokajina silamo tsy arabo io ny Iranien. Repoblika islamique ao Moyen-Orient i Iran, firenena Perse izy. Eo akaikin’ny firenena arabo, Arabie saoudite sy Irak no misy azy, antony hanafangaroan’ny maro azy matetika amin’ny firenena arabo. Vitsy amin’ny mponina ao Iran ihany no arabo, monina ao atsimo ny ankahamaroan’izy ireo. Nandritra ny fibodoan’ny silamo tamin’ny taon-jato faha 7 izay nitondrana ny islam kosa no naha silamo ny firenena ka nahatonga ny « islam chiite” ho fivavahana voalohany ao an-toerana.
