Philippines : Nipoaka ihany koa ny volkano tao an-toerana
Toerana maromaro ahitana volkano no nisehoan’ny fipoahan’izany tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izao. Misedra izany ihany koa i Philippines manoloana ny fipoahan’ny volkano Mayon ao amin’ny faritra afovoan’ny firenena. Nanomboka ny alahady teo ny mponina tao an-toerana no nalàna ny faritra ary mbola mitohy izany manoloana ny mbola fihetsehan’ny volkano.
Raha tsiahivina dia efa nirakitra horohoron-tany fambara fipoahana volkano sy naminavina « roches incandescentes » 2 km manodidina ny toerana ireo « sismologues » 24 ora talohan’io fipoahana io. Manoloana ny mbola tsy nampiato ny volkano kosa dia nampitandrina noho ny loza ateraky ny fipoahan’ny volkano ny tompon’andraikitra. Isan’izany ny fiparitahan’ny « dioxyde de soufre » izay miteraka olana ho an’ny taovam-pisefoana.
