Mahabo : Misy olana ny resaka kolikoly
Nampidirina am-ponja vonjimaika ny ben’ny tanàna sy ny lefiny faharoa, ny mpitam-bola teo aloha sy ny vaovao ao amin’ny kaominina ambanivohitr’ Ankilizato, distrikan’i Mahabo. Resaka kolikoly no hiampangana azy ireo.
« Tsy mahay mionona amin’izay efa omena azy ireny olona ambony ireny fa mbola maka ny kely an’ny vahoaka, manararaotra fahefana ary miditra tanteraka amin’ny resaka kolikoly » hoy i Andry, mponina any Ankilizato. « Ny volana desambra 2019 sy ny volana janoary 2020 dia vola 750 ariary ihany no tao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny Bianco. « Mbola mila ezaka be isika eto Madagasikara satria jamban’ny vola loatra. Mila ezaka lehibe avy amintsika rehetra vao tena ho foana ny kolikoly, izay sakana lehibe tsy mampandroso antsika » hoy i Joro, mpianatra serasera eny amin’ny anjerimanontolo.
Marihina fa 16 mianadahy ireo natao famotorana, ary ny 5 tamin’izy ireo no nampidirina am-ponja vonjimaika. Azontsika izay mahita sy iharan’ny tranga kolikoly, na ara-bola na ara-nofo na ara-moraly, ny mametraka fitarainana eny amin’ny Bianco, izay miandraikitra tanteraka izany. Rahoviana vao ho foana eto amintsika ny kolikoly ?
Nicole Rafalimananjara
