ActualitésTatitra

France : Mponina Belge maro no nisitraka fitiliana PCR maimaim-poana

Mahatratra hatramin’ny 50 euros ny vidin’ny fitiliana PCR any Belgique. Vokatr’izany, betsaka ny mponina any an-toerana makany France mba hanao fitiliana maimaim-poana. Tsy andoavam-bola manko izany fitiliana izany ao France ka nirohatra nakany avokoa ny mponina tao Belgique. Tsy misy ihany koa ny antontan-taratasy manokana rehefa hanao fitiliana any France fa taratasy fenoina rehefa tonga any an-teorana fotsiny no misy ka nanamora ny fanaovana fitiliana ho an’ny daholobe. Raha ny any Europe manokana, i France sy i Norvège ary i Danemark no firenena manolotra fitiliana PCR maimaim-poana fa ny firenena Eoropeanina akoatran’izay dia andoavam-bola avokoa. Tena lafo ny fitiliana PCR raha any Suède manokana ohatra satria mahatratra hatramin’ny 300 euros izany raha manodidina ny 50 hatraminn’y 250 euros ny any Royaume-Uni.

Laisser un commentaire