ActualitésTsidika

Nahazo famatsiam-bola hanarenana ny toe-karena Malagasy I Madagasikara

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 15 Jolay teo tao Abidjan, renivohitr’i Côte d’Ivoire, ny fihaonamben’ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana aty Afrika mikasika ny fametrahana ny famatsiam-bola ao anatin’ny IDA20. Nandray anjara tamin’ity fihaonambe ity ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay mitarika ny delegasiaona malagasy manatrika izany. Ny tanjon’ity fihaonana ity moa dia ny fifampizarana traikefa eo amin’ny mpitondra firenena afrikanina mikasika ny fampiroboroboana ny toekarena, ny fampandrosoana miaraka ary ny fiarenan-dohan’i Afrika aorian’ny valanaretina Covid-19 hoy ny filohan’I Côte d’Ivoire, Alassane Ouattara, nandritra ny fanokafany tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana.

Taorian’izay dia nisy ny fifanakalozan-kevitra nandraisan’ireo Filoham-pirenena anjara niaraka tamin’ireo solon-tenan’ny vondron’ny Banky Iraisam-pirenena. “Tsara mihitsy ny hivelaran’ny Malagasy amin’ny firenena hafa indrindra amin’ny fampandrosoana azy, ny fifandraisana manko no mitondra ny fandrosoana vetivety” hoy ny fanehoan-kevitrin’ny mpanara-baovao iray. Nandritra io IDA20 io tokoa dia nahazo famatsiam-bola mitentina 1 Miliara 100 Tapitrisa Dolara I Madagasikara mba ho entina hanarenana ny toe-karena sy ny famoronana asa ary hanaovana fotodrafitrasa maro. “Firifiry izay vola azo izay kanefa tsy hita izay fivoarana, tsy ny vola no olana fa ny toe-tsaina aloha no mila ovaina” hoy I Ando, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo mandinika manokana momba ny politika eto Madagasikara. Volabe tokoa ary tsy mbola fahita hatramin’izay izao vola be izao hoy hatrany ireo mpanara-baovao. Antenaina araka izany fa hitondra fiovana tokoa eto amin’ny tantaram-pirenena izao famatsiam-bola izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire