ActualitésTatitra

Bangladesh : Olona maromaro matin’ny varatra

Niharan’ny kotro-baratra mahery vaika i Bangladesh ny alarobia teo. Araka ny tatitra nataon’ireo manam-pahefana tao an-toerana dia olona 16 no maty nandritra ny lanonam-panambadiana iray. Rehefa niala ny sambo tao amin’ny tanànan’i Shibganj andeha hialoka noho ny oram-be ireo olona nasaina tamin’izany ireo dia nilatsahan’ny varatra tampoka. Anisany naratra tamin’izany ihany koa ilay lehilahy mpananambady.Isan-taona dia tsy maintsy misy lavon’ny varatra ao Bangladesh. Maherin’ny 200 ny olona matin’izany tamin’ny taona 2016 raha ny tatitra ofisialy saingy nanambara kosa ny vondrona tsy miankina iray kosa dia nanambara fa nahatratra 349 izany fa tsy noraiketina ny sasany tamin’ireo maty ireo.

Laisser un commentaire