Politique

Ny hetsika famoriam-bahoaka : Mitondra fampandrosoana ve ?

Anisan’ireo firenena tena mila fampandrosoana i Madagasikara amin’izao. Tsy miankina amin’ny olon-tokana anefa ny fampandrosoana ny firenena iray fa indrindra miankina amin’ny rehetra. Ny fanatontosana ny asa manandrify ny tena sy ny fipetrahana amin’ny toerana tokony ho hisy azy dia anisan’ny mitondra fampandrosoana. Raha horaisina ho ohatra izany hoe solombavambahoaka izany, izy izay mihaino ny olan’ny vahoaka eny ifotony ary mitondra izany eny anivon’ny fitondram-panjakana. Tsy tapitra hatreo anefa fa mbola manana andraikitra mitatitra any amin’ny vahoaka ny akon’iny olan’izy ireo iny ny solombavambahoaka araka ny voalazan’ny lalam-pirenena sy ny lalana velona. Noho izany dia hisy ny famoriam-bahoaka amin’ny Sabotsy ho avy izao eny amin’ny kianjan’ny demokrasia eny Ambohijatovo izay hokarakarain’ireo solombavambahoaka enina lany tamin’ny alalan’ny antoko Tiako I Madagasikara. Hitatitra amin’ny vahoaka ireo tapaka nandritra ny fivoriana teny amin’ny Antenimierampirenena farany iny no tanjona amin’izany satria zon’ny vahoaka no mahalala izany. Kianja ho an’ny fanehoan-kevitra io kianja io, misy hidiran’izany ve sa tatitra fotsiny ihany dia vita io amin’ny Sabotsy ho avy io ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire