Social

Fanisam-bahoaka 2021 : Ilaina amin’ny fampandrosoana.

Tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena iray ny fahafantarana ny isan’ny mponina ao aminy. Hahitana ihany koa ny fampandrosoana tokony hatao ao anatin’ny folo taona izany. Raha eto Madagasikara manokana no resahana, navoaka omaly Alatsinainy 15 febroary ny antontan’isan’ny mponina izay efa fanisana andiany fahatelo. Manodidina ny 25 600 000 ny mponina ary any ambanivohitra ny 80, 7 % amin’izany. Efa nanomboka ny 2015 ity fanisana ity ary izao taona izao no namoahana ny vokatra. Ilaina io isa io hoy ny Praiminisitra, Ntsay Christian, hamatarana ny drafitra ara-tsokajiny indrindra amin’ny fifidianana ho avy. Inona ny tetik’asa azo atao mifanaraka io isa io hampandrosoana an’i Madagasikara ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire