ActualitésTsidika

Alasora : Mitohy ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna amin’ny taranja basket-ball

Hotontosaina amin’ny alahady ny lalao manasa-dalana ho amin’ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Alasora. Sady hisy sokajy lehilahy no hisy sokajy vehivavy mandritra io lalao io izay ho atao ao amin’ny CEG Alasora io.

« Tongava maro foana mba manohana ny zanaky ny kaominina. Miainga amin’ireny  ihany ny ho lasa matihanina hiaro ny voninahi-pirenena. Mankasitraka antsika rehetra izay nandray anjara izahay. Samy zanaky ny kaominina daholo ireo » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Mahafinaritra tokoa fa tena mandroso ny tontolon’ny basket-ball eto amintsika. Afaka mivelatra tsara amin’ireo karazana fanatanjahantena ihany koa ireo tanora » hoy i Haingo, mponina ao Alasora.

Hanomboka amin’ny 12 ora tolakandro ny lalao izay ho atomboky ny 1er AB sy ny 2eme CD ho an’ny sokajy lehilahy. Manantena ny fanohanana avy amin’ny mponina hatrany ireo mpilalao amin’ny fanotronana azy ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire