Atsinanana : Fiofanana hoan’ireo mpisehatra amin’ny fanondranana vokatra zava-maniry
Nahazo fiofanana ireo mpisehatra eo amin’ny fanondranana vokatra zava-maniry ao amin’ny faritra Atsinanana. Mahakasika ny fitsipika vaovao eropeanina izay mifehy ny fepetra ahafahana miditra eo amin’ny tsena fanatsarana ny vokatra zava-maniry (marché phytosanitaire) sy ny fambolena biolojika ny fiofanana narahan’izy ireo.
Vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena, ny fiompiana sy ny jono ary ny programa « Rindra » izay tohanan’ny Vondrona Eropeana ao anatin’ny FED (Fonds Européen de Développement) faha-11. Tanjona ao anatin’izany fiofanana izany ny hampahafantatra ireo mpisehatra eo amin’ny fanondranana zava-maniry ny fitsipika vaovao mifehy ny tsena eropeanina mba hisorohana ny mety ho famerenana ireo vokatra efa voaondrana.
Nandray anjara tamin’izany atrikasa izany ireo solotenan’ny fikambanana mpamokatra sy ireo mpamboly ny vokatra aondrana toy ny licthi, izay raha isaina dia miisa eo amin’ny 30 000 tantsaha eo ny ao amin’ny faritra Atsinanana, tao ihany koa ireo mpandraharaha mpikambana eo amin’ny Vondrona Mpanondrana Licthis na ny Groupement des Exportateurs de Litchi (GEL). Tsara ho marihina fa ny tapany atsinanan’i Madagasikara dia manana fahafahana sy tombony lehibe amin’ny famokarana litchi, jirofo sy ireo episy maro izay vokatra tena jifain’ireo mpanjifa eropeana. Izany fahafahana lehibe izany dia mety hanan-danja amin’ny alalan’ny fifanarahana vaovao eo amin’ny governemanta, ny faritra sy ireo fikambanana mati-hanina mpanondrana vokatra. Tsiahivina fa ireo vokatra fambolena malagasy dia nahitana tranga tsy fanarahan-dalàna marobe nandritra ny fanaraha-maso teny anivon’ny sisintan’ny Vondrona eropeana tato anatin’ny taona vitsivitsy izay.
Ny hetsika rehetra nandritra ity atrikasa ity dia hanampy amin’ny famerenana ny fahatokisan’ny firenena mpanafatra vokatra any Europe.
Sitraka Rajaonarivony
