Pays-Bas : Voarara ny fananganana ireo hotely lehibe ao Amsterdam
Mbola mitohy ny ady amin’ny fizahantany faobe (tourisme de masse) ao Amsterdam. Taorian’ny hetsika fanentanana ireo tanora tia manao fety sy ny fampiakarana ny hetra ho an’ireo toeram-pilanonana tao an-toerana dia nametraka lalàna vaovao indray hiadiana amin’ny firongatry ny fizahantany mamoafady ireo tomponandraikitra ao an-toerana ; ka nandrara ny fananganana trano fandraisam-bahiny ao amin’ity renivohitra ity. Ao anatin’ny fametrahana izany fepetra vaovao izany, ny governemanta ao an-toerana dia maniry ny tsy hitomboan’ireo toeram-patoriana isa intsony. Tanjona ny hametraka ny tanàna anaty filaminana sy azon’ny rehetra hiainana lavitry ny korontana, ho azon’ny rehetra tsidihana, araka ny voalaza.
