ActualitésTatitra

Grèce : Manao fihetsiketsehana ny mponina.

Polisy folo no naratra ary olona enina ambin’ny folo no voasambotra tamin’ny talata 09 Martsa lasa teo. Nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpanao fihetsiketsehana hanoherana ny « fanararaotan-dalàna nataon’ny polisy » vao haingana tao ambanivohitr’i Athène. Laizain’ny mponina fa tsy nasian’ny polisy resaka intsony ny mahakasika ny fahadisoana nataony. Ho atolotra ny fitsarana ireo izay voasambotra. Nandritran’ny fotoana niandohan’ny fifandonana ny talata hariva teo, fihetsiketsehana iray hanoherana ny herisetran’ny polisy ary niharatsy hatrany izany. Manameloka tanteraka izao hery famoretana izao ny mpanohitra ankavia, ny mpanao gazety ary ny mpisolovava.

Laisser un commentaire