Anjeva: Nisy ny fitsidihana ifotony ireo foto-drafitr’asa vita
Nanatanteraka fitsidihana ifotony ireo foto-drafitr’asa vita ny taona 2022-2023 ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Anjeva gara. Fokontany miisa telo tao an-toerana, nisitraka ny foto-drafitr’asa fahazoana rano fisotro madio, no nanaovana ny fitsidihana, araka ny voalaza.
“Fokontany miisa telo samihafa no nanaovana ny fitsidihana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina, avy any ivelany, tamin’ity fotoana ity. nisy ny fitsidihana ireo foto-drafitr’asa ho an’ny rano fisotro madio sy toeram-piofanana iray, nandritra izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Hisaorana lehibe ny tomponandraikitra nitondra izao foto-drafitr’asa izao, tena ilaina amin’ny fampandrosoana tokoa izany, indrindra ho an’ny tanàna. Rehefa misy ny rano dia tsy mijaly ny vahoaka ary mivoatra hatrany izany” hoy i Noely, mponina ao Anjeva.
Ny famatsiana rano fisotro madio tao amin’ny fokontany Anjeva gara, ny fanarenana ny fitoeran-drano ao amin’ny fokontany Manohisoa, ary ny famatsiana rano fisotro madio andalam-pahavitana ao amin’ny fokontany Ambohidrazana moa no nanatanterahana izany.
