Italie : Fandresena ho an’i Fabio Quartararo
Nandresy tao amin’ny kianjan’i Mugello i Fabio Quartararo (Yamaha) omaly, tamin’ny taranja MotoGP. Fandresena fahatelo ho azy izany iny omaly iny, tamin’ny dingana enina vita tamin’ity taompilalaovana ity. Nanaraka azy tao i Miguel Olivera (KTM), saingy somary nivoaka kely ny fetran’ny kianja izy tamin’ny fihodinana farany, ka nahemotra iray ny laharany. I Joan Mir (Suzuki) izany no naka ny laharana faharoa omaly. Mbola mitàna ny laharana voalohany hatrany i Fabio Quartararo eo amin’ny fiadiana ho tompondaka (isa 105). I Johan Zarco (Ducati) no faharoa (isa 81), ary i Francesco Bagnaia (Ducati) no fahatelo (isa 79).
