ActualitésTsidika

Asan-dahalo eto Madagasikara

Mirongatra ary tena miha-mitombo isan’andro ireo omby very tao anatin’ny herinandro vitsy monja izay. Tsy maharaka intsony ireo mpitandro ny filaminana nalefa hampandry tany noho ny fahamaroan’ireo dahalo tonga manafika. Hatrizay raha 10 farafahabetsany ny dahalo tonga manafika ny tanàna iray, amin’izay fotoana tafakatra 300 izany toy ny niseho tany Midongy Atsimo. Tsy mionona amin’ny fangalaran’omby fotsiny koa ireo dahalo fa tonga hatramin’ny famonoana sy fandorana tranon’ireo vahoaka mihitsy aza. Toy izany koa ny nitranga tany Tsiroanomandidy sy ireo tanàna maro hafa. Mandry tsy lavo loha ireo mponina ary miaina tanteraka ao anatin’ny tahotra sy tebibety na andro na alina. Efa manao ny ezaka rehetra ireo mpitandro ny filaminana saingy tsy maharaka ireny. Ireo dahalo mpandromba mbola maro an’isa noho ireo miaramila mpampandry tany any an-toerana. Mbola mampanontany tena ny vahoaka hoe avy aiza daholo ireny dahalo aman-jatony ireny. Ny taona 2018 no nisehoana fanafihan-dahalo maro toy izao teto Madagasikara, dia io miverina io indray. Ireo dahalo koa izay tena hary fitaovana sy tsara omana hatrany. Misy mpanome vaovao? Avy aiza ireny fitaovana efa mifanentana amin’ny any mpitandro ny filaminana?

Laisser un commentaire