Fanomezana zom-pirenena Malagasy
Miisa 700 eo ny sokajin’olona tsy manana sata eto Madagasikara ka ny Karana no maro an’isa amin’izy ireo raha ny antotan’isa farany. Fomba roa ihany no ahazahoana zom-pirenena eto Madagasikara dia ny fananana rohim-pihavahanana sy ny « naturalisation ». Raha eo amin’ny resaka « naturalisation »izao, nampitomboan aho 10 ny fahafahana manome zom-pirenena iray ary 5 taona nivadiana ny mpivady gasy sy vahiny iray vao mahazo zom-pirenena malagasy ilay vazaha vadina gasy. Ny solombavambahoaka Betafo, Dr Lovanirina Celestin fiarovana no nitondra izany fiovana eo amin’ny lalàna izany. 5 taona nipetrahana teto Madagasikara teo aloha vao mahazo zom-pirenena fa izao kosa lasa 10 Taona hoy hatrany ity Solombavambahaoaka ity. Raha manambady gasy kosa dia 5 taona nivadiana raha telo taona teo aloha. Isika Malagasy ankehitriny manko tia manambady vahiny hoy hatrany izy ary raha ahitana antontan-taratasy tsy ara-dalàna aza ilay vazaha toy ny hoe efa manambady avy any vao makaty dia very tanteraka ny zony mikasika izany fahazoana zom-pirenena sy ny tombontsoa mifanaraka izany.
