ActualitésTsidika

31 Mey : Andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy fihinanana paraky

Sokajiana ao anatin’ny zava-mahadomelina ny Paraky ary mety hitarika hatraminn’y fahafatesana mihitsy. Ny 31 Mey no andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy fihinana paraky. Nilaza ny avy ao amin’ny « Organisation mondiale de la santé » (OMS) fa tamin’ny taona 2020 dia isan’ireo nahatonga fahafatesan’olona betsaka indrindra ny paraky izay nahatratra 10 tapitrisa tao anatin’ny taona. Niteraka fahafatesana nanoatra lavitra noho ny Sida sy ny koadavareny sy ny faheterahana eo am-pitrerahana, ny lozam-piarakodia, ny fahamonoan-tena sy ny vonon’olona ny fihinana paraky hoy hatrany ny OMS. Efa misy ireo vondrona miady ny fihinana paraky eto amintsika izay manoro hevitra sy mannampy amin’ny fialàna amin’izany ary mampahafantatra ny voka-dratsiny toy ny Vokovoko Manga sy ny mpitondra fivavahana maro samihafa, ny OFNALAT izay ratsamanagaika avy eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahaoaka. Loza mitatao ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fihinanan paraky ary raràn’ny lalàna mihitsy aza ny fihinana paraky.

Laisser un commentaire