Etats-Unis : Vehivavy iray no nisy naka an-keriny teny afovoan-dalana tao New-York
Lehilahy iray no hita tamin’ny vidéosurveillance naka an-keriny vehivavy iray teny afovoan-dalana tao New-York. Ny zoma lasa teo manodidina ny 1 ora sy 45 minitra no niseho tao Brooklyn ny tranga raha ny fanazavana. Vao nahita ilay vehivavy ilay mpaka an-keriny dia nantoniny toy ny hoe fantany ity farany, saingy avy hatrany dia nobatainy izy.
Taorian’izay dia nampidirin’io lehilahy io tao anaty fiara Toyota iray ilay vehivavy, ary nizotra nakany Stillwell Avenue ilay fiara. Mbola tsy fantatra mazava na ilay olona nalaina na ilay mpaka an-keriny. Raha ny tatitra hatreto dia vehivavy manodidina ny 20 taona, mirefy 1m55, ilay niaram-boina raha lehilahy manodidina ny 1m 80 kosa ilay nahavanon-doza.
Manoloana ny tranga dia miantso ny fiaraha-miasa amin’izany mety nahita ireo olona ireo ny polisy ao New-York. Hanolotra valisoa 3 500 USD (16 tapitrisa Ar) ho an’izany vavolombelona ahafahana mamantatra ireo olona ireo ny tompon’andraikitra.
