Fanafody mahasitrana vavony
Tsy vitsy no mitaraina amin’ny aretim-bavony. Anisan’ny voasokajy ao anatin’ny areti-mandoza ny fahararian’ny vavony ka betsaka ireo tanora sy olon-dehibe no mitondra faisana ankehitriny. Inona no atao mba hitsaboana azy ?
Papay manta tsy misy masaka dia isan’ny fanafody manasitrana izany. Tetehina madinika miaraka amin’ny hodiny ilay papay manta iray lehibe ary atao anaty vilany efa madio tsara. Tapohana rano iray litatra ary avela hisarona tsara mandritra ny telo andro ilay ranona papay manta izay vao azo ampiasaina. Sotroina iray vera vao maraina mifoha sy ny atoandro avy misakafo ary ny hariva alohan’ny hatory. Maharitra 5 andro eo ho eo ny faharetan’ny fitsaboana. Marihina fa tsy maintsy sasana madio tsara ny papay manta vao tetehina madinika.
Irariana mba hitondra fahasalamana sy fahombiazana ho antsika izao toro-hevitra izao.
Herimalala Ratsimbazafy
