Iran : Famotsorana olona mpiandraikitra ny solika iray ao Corée du Sud
Namotsotra mpiandraikitra ny raharaha solika eo amin’i Téhéran sy i Séoul, renivohitr’i Korea Atsimo i Iran ny zoma 09 aprily araka ny vaovao nomen’ny minisitry ny raharaham-bahiny ao Séoul. Ny volana janoary lasa teo no nisamborana io mpiandraikitra io raha nanery an’i Séoul hamoaka ireo vola raikitra amin’ny solika taorian’ny sazy napetrak’i Etazonia i Téhéran. Nanambara tao amina tatitra an-tsoratra ny ministera ao Korea Atsimo fa navelan’i Iran nandeha ilay mpiandraikitra ny sambo mpitatitra solika ary miverina amin’ny laoniny ny fandraharahana solika eo amin’ny roa tonta. Mihazo an’i Ormuz ilay sambo be mpitatitra solika mirefy manodidina ny 147 metatra amin’izao fotoana izao. Hankuk chemi no anaran’io sambo io ary nosamborina avokoa ny mpiasa rehetra ka nogiazan’i Iran ilay sambo tamin’ny volana janoary lasa teo. Fitanterana akora simika mandoto ny ranomasina ihany koa no tena nitazonana sy niampangan’i Téhéran azy ireo. Navotsitr’i Iran avokoa ireo mpiasa ny volana febroary lasa teo ankoatr’ilay mpiandraikitra lehibe. Nisy tamin’izy ireo anefa no nijanona tao anatin’ilay sambo niandry ireo solika milanja 7 200 taonina tamin’io fotoana io. Efa andalam-pitsinjarana ireo solika ireo ny Hankuk chemi amin’izao fotoana.
