Royaume-Uni : Hiaro ny masoivohon’i Myanmar voaroaka
Nanambara ny fiarovany ny masoivohon’i Birmanie tao Londres voaroaka manoloana ny fanonganam-panjakana tao an-toerana i Royaume-Uni. Naharay fanambarana mahakasika ny fahataperan’ny fitondran’ity masoivoho ity tamin’ireo manam-pahefana birmanes izy ireo ka nandray avy hatrany izao fanapahan-kevitra izao. Nalaina diplomaty akaiky an’ireo miaramila nanongam-panjakana ankeriny ny masoivohon’i Birmanie ao Londres ny alarobia lasa teo. Tsy navelan’izy ireo niditra tao amin’ny faritra intsony araka izany i Kyaw Zwar Minn, mpanampy akaiky tamin’ny governemantan’i Aung San Suu Kyi, izay nesorina ankeriny teo amin’ny fitondrana ny 1 febroary lasa teo. Matahotra ny amin’ny ainy ny masoivohon’i Birmanie ao Londres nanoloana ny fahatongavan’ireo mpanongam-panjakana naka ny biraony tao an-toerana. Io no nanaitra ny sain’i Royaume-Uni ka nanapahan’izy ireo hevitra hiaro ity masoivoho birmane ity. Miandry izay ho fihetsiky ny ankilany manoloana izay fanapahan-kevitra izay ihany koa izy ireo amin’izao fotoana.
