Nigéria : Miaramila 11 maty novonoin’ny olona tsy fantatra tao an-toerana
Miaramila nigeriana 11 nahitana manamboninahitra 1 no maty notifirina andiana lehilahy nitam-basy tao Benue, afovoan’i Nigéria ny zoma 09 aprily. Tsy voamarina ny mombamomba ireo andian’olona ireo raha ny nambaran’ny tafika nigeriana io andro io ihany. Tsy hita popoka ireo miaramila ireo raha ny fanazavana ka na nanao asa fikarohana ny teo anivon’ny tafika. Tamin’ny fotoana nitadiavana azy ireo io no nahitan’ireo vondrona mpikaroka ny fatin’ireto miaramila 11 ireto niangona teo amina toerana iray avokoa. Toerana matetika misy ady an-trano ao Benue. Ireo mpiompy sy mpamboly no matetika mifandramatra ary mifamono amin’ny fitaovam-piadiana mihitsy aza, efa aman-taonany maro izao. Nijoro vavolombelona manoloana ny efa nanafihana andiana mpiompy azy ny governora ao Benue. Tsy fantatra mazava izay anton’ny disadisa eo amin’ny roa tonta. Nanokatra fanadihadiana kosa ny avy eo anivon’ny tafika nigeriana hitadiavana ireo nahavanon-doza tamin’ity raharaha famonoana miaramila ity.
