SocialTatitra

Soudan : Olona maherin’ny 28 no maty nandritra ny fanafihan’ireo « paramilitaire »

Maherin’ny 28 no maty tao Soudan, vokatry ny fanafihana nataon’ireo tafika, tao amin’ny tanàna ireo any atsimon’ny renivohitra Khartoum, araka ny fanambarana nataon’ireo manam-pahefana any an-toerana, ny alahady teo. Ireto vondron-tafika avy amin’ny « forces de soutien rapide na FSR » nanao fanafihana tanàna ireto izay an’ady amin’ireo tafika ara-dalàna, tao anatin’ny iray taona izao, raha ny voalaza hatrany. Ny sabotsy teo no nitrangan’ny fanafihana ary mponina tsy manan-tsiny miisa 28 no lasibatra ka namoy ny ainy. Olona 240 ihany koa no naratra nandritra izany. Raha ny nambaran’ny mpitsabo any an-toerana anefa, mety mbola mihoatra io taha io noho ny fisian’ireo naratra tsy nanantona ny toeram-pitsaboana sy ny fahasarotana amin’ny toerana nitrangan’ny fitifirana. Marihina moa, fa efa nanomboka ny 15 aprily 2023 no nisian’ny ady teo amin’ny tafika ao Soudan. Vokatr’izany, efa maro ireo maty, nisy ihany koa ireo nifindra monina noho ny fahapotehan’ny foto-drafitr’asa sy ny tanàna any an-toerana ary amin’izao fotoana dia manomboka ny mosary ao amin’ity firenena ity.

Laisser un commentaire