SocialTatitra

Italie : Comistra, orinasa mpanao recyclage akanjo


Orinasa malaza amin’ny fanodinana akanjo, indrindra ny landy efa tonta, ny Comistra. Ao Prato ao Italie no misy azy. Tamin’ny taona 1920 io orinasa io no niorina ary amin’izao fotoana dia efa mampiasa ny « recyclage mécanique » na amin’ny alalan’ny milina izy ireo.

Aman-taoniny ny lamba tonga ao amin’ny Comistra. Tsy haodina avokoa nefa izy rehetra ireo. Raha ny fanazavan’ny talen’ny varotra sy ny fifandraisana ao amin’ny orinasa, Alice Tesi dia manomboka amin’ny « tri » ny asan’izy ireo ka ny 60% ny lamba dia mbola azo hanaovana na ilay atao hoe « fripy » ; ny 5% kosa no hariana na alefa any amin’ny « thermo-valorisé » ary 35% no haodina.

Aorian’izany dia ahavana araka ny lokony avy ny lamba, alefa ao anaty milina antsoina hoe « lavastraccia » ary izany no mamadika azy ho lamba vaovao azo hanamboarana akanjo vaovao indray. 

Laisser un commentaire