Haïti : Mifamahofaho ny fanadihadiana mikasika ny raharaha famonoana ny filoha
Nalàn’ny praiministra Ariel Henry i Bed-Ford Claude, mpampanoa lalàna tao an-toerana noho ny “adisoana lehibe eo amin’ny fitantanan-draharaha” tao aorian’ny fampotopotorany azy momba ny raharaha famonoana ny filoha Jovenel Moïse. Raha ny fanazavana dia nampiantsoin’io mpampanoa lalàn’i Port-au-Prince, renivohitr’i Haïti io izy ny talata maraina teo noho ny fahitana antso tao amin’ny findainy tamin’iray tamin’ireo olona tena ahiahiana amin’ny raharaha. Norarany tsy hivoaka ny faritin’i Haïti ny praiministra tao noho ny fahasarotan’io toe-draharaha hiampangana azy io saingy ora vitsivitsy tao aorian’ny fampotopotorana azy dia noesoriny tamin’ny toerany io mpampanoa lalàna io.
