ActualitésTatitra

RD Congo : Mpanao gazety novonoina tany Nord-Kivu

Mpanentana amina onjampeo iray any Congo, sady mpanao gazety, no nisy nitifitra tany antsinanan’i Republique Démocratique du Congo nhy 10 may lasa teo. Efa nahatratra 16 izao no mpiasan’ny haino aman-jery novonoina tao anatin’ny roampolo taona izay tany Congo. Maty novonoin’olona roa tsy fantatra any amin’ny farintany Nord-Kivu i Barthélémy Kubanabandu Changamuka izay 23 taona. Bala miisa 8 be izao no nahafaty azy raha efa akaiky ny trano honenany. Ny findainy ihany no nalain’ireto olon-dratsy talohan’ny nandosiran’izy ireo. Miasa tao amin’ny Onjampeon’i Kitshanga izy ary manolotra ny fandaharana « Sécurité alimentaire ». Vao avy nanolotra fandaharana ka iny hody iny izy sy ny namany no izao tra-doza izao, ilay namany afaka nandositra haingana ka tafiditra tao an-trano fa i Barthélémy kosa maty tsy tra-drano.

Laisser un commentaire