ConseilTsidika

Toro-hevitra : Ireo voka-tsoa azo avy amin’ diloilo coco

Maro tokoa ny voka-tsoa entin’izany menaka diloilo coco izany ary ny ankabeazan’ny malagasy dia nampiasa izany avokoa. Tsy saro-tadiavina fa manerana ny nosy dia saika ahitana azy avokoa. Inona daholo ireo voka-tsoa entin’ny diloilo coco ?

Ny vehivavy malagasy dia saika mampiasa ny diloilo coco amin’ny volony. Ireo ray aman-dreny tany aloha dia, nahatakatra tsara ny soa entiny amin’izay fikarakarana volo izay. Manan-karena vitamine E sy K ary vy ity menaka ity kan maelona tsara ny volo sady manome hadiry ary mampangirana azy tsara. Mety ho amin’ny volo maina sy simba ary miaro amin’ny fihintsanan’ny volo ihany koa ny fampiasana azy matetika. Manamandina hoditra sy ny manala vakivaky amin’ny molotra sy ny tongotra ihany koa izy ity.

Tsy ny vehivavy ihany anefa, fa azon’ny lehilahy ampiasaina ihany koa ny diloilo coco. Raha tsy mety amintsika ny mividy « crème rasage » fanalana volombava ireny dia azo atao ny mampiasa diloilo hosorana tamin’ny tava.

Ho an’ny zazakely, dia anisan’ny mahasalama ny hoditry ny zazakely, mampalefaka sy mampamandimandina ny hoditry ny zaza kely indrindra fa ny eo amin’ny faritra masaka na vakivaky amin’ny fahamandoana lava dia azo atao tsara ny manisy menaka eo amin’izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire