Etats-Unis : Lehilahy iray no voarohirohy amin’ny famonoana ny vadiny
Tsy hita nanomboka ny 1 janoary teo tao Massachusetts i Ana Walshe, 39 taona. Ireo mpiara-miasa taminy no nanao ny fanairana tany amin’ny manam-pahefana rehefa tsy tonga niasa nandritra ny andro maromaro izy. Rehefa natao fanadihadiana kosa i Brian Walshe, 47 taona vadin’io vehivavy io dia nilaza fa manodidina ny 1 ora maraina izy sy ny vadiny vao nody tamin’io andro io noho ny fankalazana ny taom-baovao. Niala tao an-tranony kosa ravehivavy ora vitsy taorian’izany niazo ny seram-piaramanidina makao Washinton Dc ny antony arak’asa.
Nanomboka teo no tsy nahitana an’io renim-pianakaviana io intsony. Tsy nino ny tantaran’i Brian Walshe nefa ireo manam-pahefana ka natao ny fisavana tao an-tranony. Fikarohana samihafa tao amin’ny solosain’io raim-pianakaviana io no nahatonga ny polisy miahiahy azy. Tamin’ny 1 janoary dia niompana tamin’ny « fomba fanafenana razana, hafiriana ny razana no misy fofona, ahoana ny hiazonana ny razana tsy ho simba ? … » ny fikarohana nataon’io lehilahy io.
Fantatra ihany koa fa ny 2 janoary dia nandany 450 dollars tao amin’ny toeam-pivarotana iray io lehilahy io nividy, seau, solomaso, labasy, famaky sy karibonetra. Ny andron’io idia nanao fikarohana izy hoe « inona ny fitaovana fandrasana razana, mety ho voaheloka namono olona ve raha tsy hita ny faty ? … « .
Hatreto kosa dia mbola tsy hita ny razan’i Ana Walshe. Efa nosamborina sy notanana am-ponja vonjimaika kosa i Brian Walshe. Mety ho io lehilahy io tokoa ve no nahavanona ny loza ?
