Sabotsy Namehana : Manampy ny kaominina amin’ny fampananana asa ny mponina ny CFPF Antsofinondry
Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny andiany fahavalo amin’ny fiofanana arak’asa ao amin’ny CFPF Antsofinondry. Miara-miasa akaiky amin’ny kaominina Sabotsy Namehana ity ivontoerana iray ity amin’ny fampandrosoana ny tanàna.
« Tombony lehibe ho anay eto Sabotsy Namehana ny fisian’ny ivontoerana fampiofanana arak’asa tahaka izao. Manohana hatrany izahay ary mamporisika ny mponina handray anjara amin’izany mihitsy. Efa misy rahateo ny fiaraha-miasa eo aminy sy ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. « Betsaka ny fiofanana hita ato toy ny zaitra sy ny peta-kofehy. Eo ihany koa ny fikolokoloina vonikazo sy zaridaina ary fambolena zana-kazo sy ny maro hafa. Misy hatrany ny mari-pahaizana zaraina amin’ny faran’ny fampianarana » hoy ny avy ao amin’ny CFPF Antsofinondry.
Ny 9 may ho avy izao ny fidirana manaraka. Maharitra telo volana ny fampianarana. Azo atao tsara ny mamorona asa ho an’ny tena aorian’ny fianarana.
Nicole Rafalimananjara
