Ny tanora no tena mazoto amin’ny fanaovam-baksiny
Miroso amin’ny fanaovam-baksiny ny ankamaroan’ireo tanora. Tanora maro no tonga teny amin’ny ivontoeram-panaovana vaksiny eny amin’ny kianjan’ny Malacam eny Antanimena. Tsikarita ihany koa fa ireo tanora hanohy fianarana any ivelany no tena maro amin’izy ireo noho ny fitakiana ny taratsy manamarina fa vita vaksiny rehefa mikarakara « Visa ». Tsy afaka mivoaka amin’ny fianarana any ivelan raha tsy vita vaksiny hoy ny tanora iray nanao vaksiny teny an-toerana. Izany no tena mahamaika anay hanao ity vaksiny ity hoy hatrany izy ary miandry n tsindrona faharoa sisa dia lasa hikopa-kelatra izahay. Manomboka ao amin’ny 18 hatramin’ny 25 taona no tena betsaka tonga aty Antanimena manao vaksiny hoy ny Chef de service médicale eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Noho izany dia nahitana fiakarany tokoa ireo olona tonga manao vaksiny manerana ny toerana hanaovana izany. Ny lehilahy no tena hita fa marisika amin’izany satria ny 65% amin’ireo tonga manao vaksiny dia lehilahy avokoa. Mazoto amin’izany ihany koa ireo mpihira sy olo-malaza ary ny mpanao baolina sy ny olon’ny politika.
Nicole Rafalimananjara
