Lehilahy iray vao avy nivoaka ny fonja no namerin-keloka indray
Voarohirohy tamina resaka halatr’omby tao Analasatrana Sirama Ambilobe ity lehilahy iray ity14 janoary 2021 lasa teo. Nahiditra am-ponja vonjimaika izy noho izany. Rehefa tafavoaka soa aman-tsara anefa ity lehilahy ity dia namaky tranombarotra fivarotana Bajaj sy moto ary Tsena tao Diego indray.
Tratran’ny zandary teo ampanaovana ny asa ratsiny indray izy ka tapaka ny hevitra fa zandary ao Diego no hiandraikitra ny fanadihadiana azy. Haverina atolotra ny fampanoavana kosa izy aorian’ny famotorana azy. Maivana ve ny sazy omen any mpanao eloka be vava amin’izao ka mahatonga azy ireo tsy mety fay ?
Hasina Rasamimanana
