SocialTsidika

Anjeva Gara : Mila arahi-maso foana ny fananana

Mitaraina ny mpiompy akoho ao Anjeva Gara fa manjaka ny hala-botry. Mila mailo hatrany ny rehetra amin’ny fiarovana ny fananany.

« Mila mailo isika manodidina ny terrain Anjeva Gara fa eto no tena misy ny mpangalatra akoho. Mody mijery baolina izy ireo nefa mangalatra ihany » hoy i Harilala, mponina ao Anjeva Gara. « Ny mampalahelo dia izahay tompony tsy mahafoy mihinana kanefa mora amin’ny mpangalatra ny mangalatra azy. Mila mandray andraikitra isika mponina amin’izao. Tsara foana ny manara-maso hatrany ny fananakelintsika » hoy i Désiré, raim-pianakaviana monina Anjeva Gara. Tompon’andraikitra main’ny fananany ny tsirairay. Tsara foana ny manara-maso akaiky izany mba tsy hahavery azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire