SocialTatitra

Rwanda : Kigali no tanana madio indrindra aty Afrique

Ilay fandrapahan’olona tamin’ny taona 1994 no mety ahatsiharoavan’ny maro an’i Rwanda saingy firenena mendrika ny atao fitaratra aty Afrique izy. Nanao hezaka ary nivotra ara-tsosialy sy ara-toekarena i Rwanda, ary hita taratra ao amin’ny renivohiny Kigali izany. Misy mponina eo amin’ny 1 tapitrisa eo i Kigali hoy ny ONU izay namaritra azy ho renivohitra mendrika indrindra aty Afrique.Ao an-toerana no misy ny tanana madio indrindra eto Afrique ary milahatra amin’ireo tanana madio indrindra eran-tany toy i Singapour sy Colombo mihitsy izany. Ankoatra ny fahadiovany dia tanana anisan’ireo mandry fahalemena indrindra ihany koa i Kigali. Misy vidiny nefa izany satria lafolafo mihoatra ny amin’ny firenena hafa eto Afrique ny fiainana ao an-toerana.

Laisser un commentaire