Dépêches

Ambatolaona : Lehilahy 41 taona maty an-drano

17 Martsa, 13h30. Niampita rano handeha ho any Andrenarivo hitsidika ny renibeany narary no nialan’ny lehilahy telo tao an-tranony tao Ambatolaona distrikan’i Manjakandriana. Nandeha lakana izy ireo kanjo nilentika ny vodin’ny lakana rehefa tonga teny afovoan-drano ka dia rendrika.

Lehilahy iray 41 taona no maty vokatr’izany izay hita faty omaly maraina raha tafavoaka soa aman-tsara kosa ireo fa ny 2 hafa. 

Laisser un commentaire