La Réunion : Efa vonona ireo mpilalao hiatrika ny lalaon’ny nosy
Nanao fanambarana ny CROS (Comité Régional Olympique et Sportif) ao La Réunion fa efa vonona amin’ny fiatrehana ny lalaon’ny nosy aty Madagasikara manomboka ny 25 aogositra izao izy ireo. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra isany hanampy azy ireo amin’ny fitanterana ireo mpikambana ny Club R. miisa 720 ny Air Austral.
Raha 60 monja ny atleta avy ao amin’ny nosy Maurice dia mahatratra 452 ireo hisolo-tena ny nosy La Réunion izay handray anjara amin’ireo taranja 19 hifaninana. Mbola miampy ireo mpitantana ara-teknika sy ara-pitsaboana misy « kinésithérapeutes » sy « ostéopathes » miisa 268 ihany koa izany ka mampiakatra ny isa ho 720 raha ny fanamafisana.
