Ankadikely Ilafy : Hisy ny lalao baolina kitra karakarain’ny kaominina
Miantso ireo klioba mpilalao baolina ao aminy ny kaominina Ankadikely Ilafy. Hisy ny « Tournoi de Foot » karakarain’izy ireo ao amin’ny Kianjan’ny Fifankatiavana Ankadikely Ilafy.
« Antsoina ireo klioba mpikatroka baolina kitra rehetra eto amin’ny Fokontany 18, mandrafitra ny kaominina Ankadikely-Ilafy. Hisy ny fifaninanana atao eto amin’ny Kianjan’ny Fifankatiavana Ankadikely, izay karakarain’ny tomponandraikitry ny fanatanjahantena eto anivon’ny kaominina. Ny alarobia 16 martsa 2022 ho avy izao no manomboka ny fisoratana anarana ka hifarana ny Sabotsy 26 Martsa 2022 » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
« Hita tokoa ny fampandrosoana ny tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena eto Ankadikely Ilafy. Tena manohana ity tranja ity tokoa ny Kaominina izay taranja tena be mpankafy » hoy i Laurent, mponina ao Ankadikely Ilafy. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ho fankalazana ny 26 Jona 2022 ity lalao ity. Hanomboka ny 2 aprily ny lalao.
Nicole Rafalimananjara
