Dépêches

Vatsim-pianarana : Tapitra ny fiandrasana ela be ho an’ireo mpianatra

Dépêche 17 avril, 12h, Nifarana ny fiandrasana ela be izay niterana savorovoro teo amin’ireo mpianatra eny amin’ny Ambaratonga ambony. Nivoaka ny tetiandro ahafahana mizara ny vatsim-pianarana 5 volana sy ny fampitaovana. Ny mpianatra ao amin’ny Master 2 araka izany no hanombohana ny fizarana ny alakamisy 21 aprily ziao ho an’ny Antananarivo. Mandeha tsikelikely araka ny amabaratonga ny fizarana. Hanomboka ny 27aprily 2023 izao kosa ny an’ireo mpianatra any amin’ireo Oniversite dimy hafa any amin’ny faritra. Ny fanontaniana mipetraka dia tsy maintsy miandry ny fanairan’ny mpianatra hatrany ve vao misy ny fikaroham-bahaolana isan-taona ?

Laisser un commentaire