Toe-karena : heloka noho ny fitondràna zana-tsokatra
Voaheloka higadra 2 taona an-tranomaizina sy handoa onitra 300 tapitrisa ariary ilay teratany vahiny nitondra zana-tokatra miisa 6 (pyxis arachnoides ny 4 ary Astrochelys radiata ny 2) tao amin’ny seram-piaramanidina tany Toliara ny 19 Martsa teo.
Biby arovana ny sokatra ka voararan’ny lalàna eto amintsika sy ny #CITES (Convention sur le commerce international des espèces de faune et de flore sauvages menacées d’extinction) ny fivarotana, ny fihazana, ny fiompiana ary ny fihinanana azy.
