Dépêches

Maevatanana: Fitanteran-kazo antsokosoko

Hazo be miisa 37 tsy nisy taratasy no notaterina an-tsokosoko tany Ambodimanga no saron’ny zandary omaly. Nafenina tao ambadiky ny cageot ireto bolongan-kazo ireto, niainga avy any Mahajanga nokasaina ho taterina aty Antananarivo. « Bois ordinaires » manana halava manodidina ny 2m sy hadiry 60cm avokoa ireto hazo ireto.Nogiazana any Maevatanana ireo hazo ireo ary notanana atao famotorana ny mpamily ilay fiara.

Laisser un commentaire