ConseilTsidika

Torohevitra : Betsaka ny tombontsoa amin’ny fandehanana tongotra tsy manao kiraro

Isan’ny fitaizam-batana tsara ho an’ny fahasalamana ny fandehanana tongotra tsy manao kiraro na kapa. Maro ny tombontsoa azo avy amin’izany.

Tena mahasalama sy manamafy ny vanin-taolana ary ny hozatra ny mandeha tsy misy kiraro. Tsara ho an’ny lalan-drà ihany koa izany, ary mampikoriana tsara ny rà. Manala fanaintainana indrindra, ho an’ny olona marary lamosina. Manala ireny tsembon-tongotra lava ireny ny fandehanana tsy misy kiraro. Mampatanjaka ihany koa, hitantsika tsara angamba ireny olona any ambanivohitra ireny fa matanjaka tsara kanefa tsy mba manao kapa izany, ary koa mandeha tongotra an-kilaometatra maro mihitsy.

Tsara foana ny mandeha tongotra kely tsy misy kiraro na dia ao an-tokontany ihany aza.

Laisser un commentaire