Dépêches

CNAPS: Manana tolotra vaovao ho an’ireo mpikambana ao aminy.

Dépêche 13 octobre, 13h, Ankoatra ireo fitsinjovana ny mpiasa sy ny ankohonany izay efa nisaharan’ny CNAPS hatramin’izay dia mbola miampy indray ireo tombontsoa ho raisin’ireo mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina mikambana ao anatiny. Namoaka ny tolotra mahakasika ny fanampiana sy ny fandraisana an-tanana ireo mpikambana indray izy ireo ankehitriny. Ireo mpikambana rehetra no hisitraka izany tolotra izany ka toy amin’ny allan’ny fihainoana ny fitarainana sy ny fanampiana ary fanoroana hevitra azy ireo no fomba fisehon’izany. Izay rehetra manana olana amin’ny asany dia afaka manatona ao avokoa.

Laisser un commentaire