ActualitésTatitra

Guinée équatoriale : Mbola mihazona ny kolontsaina nentin-drazany ny « Bubi »

Mponina ao amin’ny Afrique centrale ny  « Bubi ». Ny nosy Bioko ao Guinée équatoriale no tena nipoiran’izy ireo ary monina ao amin’izay ny ankahamaroany. Misahana 15% amin’ny mponina ao Afrique centrale kosa io vondron’olona io.

Ny « Bubi » no nonina voalohany tao amin’ny nosy Bioko ary heverina fa nifindra monina avy any Cameroun izy ireo. Mbola mitanàna ny fomban-drazany sy ny kolontsainy kosa ireo mponina ireo. Anisany mampiavaka azy ny dihy, ny mozika ary ny fombafomba ara-pivavahana izay tsy resin’ny fidiran’ny fivavahana ktristianina.

Mampiasa ny fiteny « bantoue » kosa ny « Bubi », manodidina ny 40 000 isa teo izy ireo no nampiasa izany tamin’ny taona 1995. Mampiasa ny « pidgin » avy ao Guinée équatoriale ihany koa nefa ireo mponina ireo.

Laisser un commentaire