Ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy
Vehivavy miisa 30 no nianjadian’ny herisetra ka tonga nitady fanampiana sy torolàlana tao amin’ny ivon-toerana manokana miady amin’ny herisetra. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy izy ireo rehefa avy nanaraka fiofanana nandritra ny 30 andro. Antony lehibe nanatrehan’i Mialy Rajoelina, izay sady Filohan’ny fikambanana Fitia, ny lanonana tetsy Mahamasina izany.Nomena fanohanana sy torolàlana izy 30 mirahavavy nandritra ny fiofanana nataon’izy ireo. Marihana fa taranja iraisana telo no ifotoran’ity fiofanana ity : ny fampivoarana ny mahaolona, ny fitantanana ary ny fandrindram-piterahana. Ankoatran’ireo, nisy ihany koa làlam-piofanana amin’ny asa tànana izay miisa 3 azo hisafidianana soamantsara : ny zaitra, ny peta-kofehy ary ny fianarana mahandro sy manao mofo mamy. Anisan’ny nahatanteraka izao fanampiana sy fanohanana ireo olona hianjadian’ny herisetra ireo, ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny fampianarana tekinika sy fanofanana arak’asa, ny Programa nasionaly Fihariana, Association Junior MBA, CFP Timbazaza, LTA, CFP Antsofinondry, FISA Andoharanofotsy ary ny Association Zarasoa. »Tena nanampy be dia be anay ny fanampian’ny Fikambanana Fitia, nanome torolàlana maro izy ireo mba hisorohana ny trangana herisetra toy ny teo aloha » hoy i Aina, solon-tenan’izy 30 mirahavavy. « Maneho fankasitrahana lehibe an-dramatoa Mialy Rajoelina noho ny tolo-tànananataony ka mbola mampijoro ny Fikambanana Fitia. Kanefa mino aho fa mbola misy ankoatranay 30 mirahavavy any nianjadian’ny herisetra fa tsy sahy manatona sy mangataka fanampiana » hoy kosa i Nomena, solon-tenan’izy 30 mirahavavy ihany koa. Etsy andaniny, naneho fankasitrahana lehibe ihany koa ny Filohan’ny Fikambanana Fitia, Mialy Rajoelina ka nanao izao fanambarana izao, « tena mendrika fankasitrahana izy 30 mirahavavy. Sahy nijoro, nivoaka tamin’ny fahanginana ary nahavita dingana nandresy ny tahotra ka nitoroka sy namboraka ny herisetra niainany. Mifarana izao ny fiofanana, afaka mirehereha ianareo 30 mirahavavy fa tena azo tsapain-tànana ankehitriny ny fivoarana sy ny vokatry ny fiofanana ka afaka mahaleo tena ianareo ».Maro ny trangana herisetra mianjady amin’ny vehivavy indrindra indrindra, ka tokony tsy hisalasala izay hiharan’izany hitoroka eny anivon’ireo birao efa misahana izany na ny fikambanana Fitia. Kanefa, raha ny tsapa sy hita dia mbola betsaka ireo olona tsy sahy mitoroka noho ny tahotra ao aminy na dia efa misy aza ny mpiandraikitra ny raharaha toy izany. Arak’izany, inona no tokony ataon’ireo birao na fikambanana mandray an-tànana ny trangan-javatra toy izao ? Mety mbola mila fanentanana bebe kokoa ve ireo tanora sasany manolona izany ?Miangaly Rasoamihajamanana
